The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 43 › Bokin'i Ezekiela 43:8

Bokin'i Ezekiela 43:8

tamin’ ny nametrahany ny tokonam-baravaran’ ireny teo anilan’ ny tokonam-baravarako sy ny tolan’ ireny teo anilan’ ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin’ ny fahavetavetana nataony ny anarako masìna; ka dia nahalany ringana azy tamin’ ny fahatezerako Aho.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

In their setting of their threshold by my thresholds, and their post by my posts, and the wall between me and them, they have even defiled my holy name by their abominations that they have committed: wherefore I have consumed them in mine anger.

In Context

7Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, eto no hitoeran’ ny seza fiandrianako sy hitoeran’ ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ ny zanak’ Isiraely; ary tsy holotoin’ ny taranak’ Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin’ ny fijangajangany sy amin’ ny sampin’ ny mpanjakany ao amin’ ny fitoerany avo intsony ny anarako masìna,

9Fa amin’ izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.

Read all of Bokin'i Ezekiela 43

Cross References

2 Kings 16:14Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.

2 Kings 23:11Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.

2 Chronicles 33:7Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;

Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.

Ezekiel 8:3Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin’ ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ ny fahitana avy amin’ Andriamanitra, ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.

Ezekiel 23:39Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 43:8

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 43:7Bokin'i Ezekiela 43Bokin'i Ezekiela 43:9 →