Bokin'i Ezekiela 44:23
Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 44
Cross References
Leviticus 10:10ary mba hahaizanareo manavaka ny masìna sy ny tsy masìna, ary ny madio sy ny tsy madio,
Deuteronomy 33:10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
Hosea 4:6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Zephaniah 3:4Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
Malachi 2:6Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.
Titus 1:9mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.