Bokin'i Ezekiela 44:24
Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 44
Cross References
Leviticus 23:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy:
Deuteronomy 17:8Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
1 Chronicles 23:4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
Ezra 2:63Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Isaiah 58:13Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
Ezekiel 46:9Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ ilay vavahady nidirany izy, fa amin’ izay tandrifiny ihany no hivoahany