Epistily ho an'ny Galatiana 3:2
Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 3
Cross References
Acts 2:38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
Acts 10:44Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masìna.
Acts 15:8Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa;
Romans 1:17Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
1 Corinthians 12:7Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
Galatians 3:5Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?