Epistily ho an'ny Galatiana 4:8
Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Howbeit then, when ye knew not God, ye did service unto them which by nature are no gods.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 4
Cross References
Joshua 24:2Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
2 Chronicles 13:9Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ ny firenena amin’ ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ ireo tsi-Andriamanitra.
Psalms 135:15Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;
Isaiah 44:9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Jeremiah 10:3Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;
John 1:10Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.