Epistily ho an'ny Galatiana 4:9
fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 4
Cross References
1 Kings 8:43dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
Psalms 1:6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Proverbs 2:5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
Habakkuk 2:14Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’ i Jehovah, Toy ny fanaron’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
Luke 5:38Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
John 10:27Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,