Bokin'i Habakoka 2:17
Fa hanody anao ny loza natao tamin’ i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran’ ny olona sy ny loza natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 2
Cross References
Psalms 55:23Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Proverbs 28:17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
Jeremiah 50:33Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
Jeremiah 51:34Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
Habakkuk 2:8Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin’ ny sisa rehetra amin’ ny firenena kosa, Noho ny ran’ ny olona sy ny fandozana natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Revelation 18:20Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masìna sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.