Bokin'i Habakoka 2:16
Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’ i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin’ ny voninahitrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 2
Cross References
Psalms 75:8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
Isaiah 20:4dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.
Isaiah 47:3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Isaiah 51:21Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
Jeremiah 25:26ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ ny tany; ary ny mpanjakan’ i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.
Lamentations 4:21Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.