Bokin'i Jeremia 12:1
Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 12
Cross References
Deuteronomy 32:4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Job 8:17Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
Job 13:3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
Job 24:12Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao.
Psalms 37:1Nataon’ i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
Psalms 51:4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.