Bokin'i Joba 37:12
Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
Cross References
Psalms 104:24Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Jeremiah 14:22Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
Amos 4:7Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
Revelation 11:6Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin’ ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.