Filazantsara araka an'i Jaona 7:14
Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Now about the midst of the feast Jesus went up into the temple, and taught.
In Context
13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 7
Cross References
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Numbers 29:20Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Haggai 2:7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Matthew 21:12Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
Luke 19:47Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
John 7:2Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely,