Bokin'i Josoa 10:28
Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
Cross References
Deuteronomy 7:2ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
Deuteronomy 20:16Fa ny tanànan’ ireto firenena ireto kosa, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
Joshua 8:2Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
Joshua 10:30dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
Joshua 10:35dia afany tamin’ izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin’ izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Lakisy.
Joshua 10:39dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.