Leviticus 27:21
Fa raha afaka amin’ ny Jobily ny tany, dia ho masìna ho an’ i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary raha misy manamasìna ho an’ i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ ny zara-taniny,
Cross References
Leviticus 25:28Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy.
Leviticus 27:28Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Ezra 10:8ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.