Filazantsara araka an'i Lioka 13:14
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Exodus 23:12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
Ezekiel 20:12Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Matthew 12:10ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.
Mark 5:22Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
Luke 6:11Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.
Luke 14:3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?