Filazantsara araka an'i Lioka 2:4
Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
5mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 2
Cross References
Genesis 35:19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Ruth 1:19Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
Ruth 4:11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
Ruth 4:21ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;
1 Samuel 16:4Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
1 Samuel 17:58Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.