Filazantsara araka an'i Lioka 20:13
Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 20
Cross References
Isaiah 5:4Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Jeremiah 36:7Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ity firenena ity.
Hosea 11:8Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
Matthew 17:5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
John 1:34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
John 3:35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.