Filazantsara araka an'i Marka 13:31
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 13
Cross References
Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
2 Kings 15:12Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
Psalms 102:25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Isaiah 51:6Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
Matthew 5:18Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
Luke 21:33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.