Filazantsara araka an'i Matio 13:52
Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
51Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
53Ary rehefa vitan’ i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 13
Cross References
Ezra 7:10Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Proverbs 10:20Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
Proverbs 15:7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Proverbs 18:4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,
Ecclesiastes 12:9Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
Matthew 12:35Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.