Bokin'ny Nomery 1:32
Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
33izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
Cross References
Genesis 30:24Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
Genesis 39:1Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
Genesis 48:1Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
Genesis 49:22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
Numbers 26:35Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.