Bokin'ny Nomery 22:3
Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Balaka, zanak’ i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ ny Isiraely tamin’ ny Amorita.
Read all of Bokin'ny Nomery 22
Cross References
Exodus 1:12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
Exodus 23:27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
Joshua 2:10Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
Joshua 9:24Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
Isaiah 23:5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’ i Tyro.