Bokin'ny Ohabolana 1:5
Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 1
Cross References
1 Samuel 25:32Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
Job 34:2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
Job 34:16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
Psalms 119:98Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
Proverbs 9:8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
Proverbs 12:1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.