Bokin'ny Ohabolana 17:19
Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He loveth transgression that loveth strife: and he that exalteth his gate seeketh destruction.
In Context
18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 17
Cross References
1 Samuel 25:36Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
1 Kings 1:5Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
Proverbs 17:14Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
Proverbs 24:27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
Proverbs 29:22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
Daniel 4:20Ary ny nahitan’ ny mpanjaka ny mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ ny fetr’ andro fito aminy,