Bokin'ny Ohabolana 24:4
Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’ izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And by knowledge shall the chambers be filled with all precious and pleasant riches.
In Context
3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 24
Cross References
1 Chronicles 29:2Ary tamin’ ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’ Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
2 Chronicles 26:4Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
Nehemiah 13:5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
Proverbs 8:18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
Proverbs 15:6Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.