Bokin'ny Ohabolana 6:32
Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 6
Cross References
Genesis 39:9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?
Exodus 20:14Aza mijangajanga.
Proverbs 2:18Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
Proverbs 5:22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
Proverbs 7:22Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
Proverbs 9:4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy: