Bokin'ny Salamo 119:78
Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
77Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
79Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
1 Samuel 24:17Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
Psalms 1:2Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
Psalms 25:3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
Psalms 35:26Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
Psalms 109:3Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
Psalms 119:21Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.