Bokin'ny Salamo 120:5
Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Woe is me, that I sojourn in Mesech, that I dwell in the tents of Kedar!
In Context
4Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.
6Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.
Read all of Bokin'ny Salamo 120
Cross References
Genesis 10:2Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
1 Samuel 25:1Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
Isaiah 60:6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
Jeremiah 9:6Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin’ ny oloko zanakavavy?
Jeremiah 49:28Ny amin’ i Kedara sy ny fanjakan’ i Hazora, izay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’ i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Ezekiel 27:21Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.