Bokin'ny Salamo 148:8
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Fire, and hail; snow, and vapours; stormy wind fulfilling his word:
In Context
7Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Read all of Bokin'ny Salamo 148
Cross References
Exodus 9:23Dia nahinjitr’ i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta.
Exodus 10:19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
Leviticus 10:2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Joshua 10:11Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Job 37:12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
Psalms 18:12Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.