Bokin'ny Salamo 18:6
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
Read all of Bokin'ny Salamo 18
Cross References
2 Samuel 22:7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
2 Chronicles 30:27Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 27:4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Psalms 120:1Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,