Bokin'ny Salamo 34:12
Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
What man is he that desireth life, and loveth many days, that he may see good?
In Context
13Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
Read all of Bokin'ny Salamo 34
Cross References
Genesis 49:2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
Deuteronomy 30:20dia ny ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ ny andronao, mba honenanao eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
Job 7:7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
Psalms 4:6Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
Psalms 91:16Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
Proverbs 7:24Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.