Bokin'ny Salamo 51:11
Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Cast me not away from thy presence; and take not thy holy spirit from me.
In Context
10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
Read all of Bokin'ny Salamo 51
Cross References
Genesis 4:14Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
Judges 13:25Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.
Judges 16:20Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
1 Samuel 16:14Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
2 Kings 13:23Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
2 Kings 23:27Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.