Bokin'ny Salamo 7:3
Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O LORD my God, if I have done this; if there be iniquity in my hands;
In Context
2Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
4Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
Cross References
Joshua 22:22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
1 Samuel 22:8no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
1 Samuel 24:9Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
1 Samuel 26:18Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
Job 11:14Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
Psalms 22:12Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.