Bokin'ny Salamo 96:2
Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Sing unto the LORD, bless his name; shew forth his salvation from day to day.
In Context
1Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.
3Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Read all of Bokin'ny Salamo 96
Cross References
Psalms 40:10Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psalms 103:20Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
Psalms 145:2Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
Isaiah 40:9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Mark 16:15Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.