Apokalypsin'i Jaona 2:16
Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ ny Nikolaïta tahaka ny an’ ireny.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 2
Cross References
Isaiah 49:2Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
Ephesians 6:17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
Revelation 1:16Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
Revelation 2:12Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
Revelation 3:19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
Revelation 19:15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.