Apokalypsin'i Jaona 3:18
dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 3
Cross References
Psalms 16:7Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
Psalms 73:24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
Proverbs 1:25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
Proverbs 19:20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
Ecclesiastes 8:2Hoy izaho: Tandremo ny didin’ ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’ Andriamanitra.
Isaiah 55:1He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.