Epistily ho an'ny Romana 5:13
fa hatrany alohan’ ny lalàna aza dia nisy ota tamin’ izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
(For until the law sin was in the world: but sin is not imputed when there is no law.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
Genesis 4:7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
Genesis 6:11Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;
Genesis 13:13Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
Genesis 19:4Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ ny tanora ka hatramin’ ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
Genesis 19:36Dia samy nanan’ anaka tamin-drainao ny zanak’ i Lota roa vavy.
Genesis 38:10Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.