Bokin'i Jeremia 8:1
Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny taolan’ ny lehibeny sy ny taolan’ ny mpisorona sy ny taolan’ ny mpaminany ary ny taolan’ ny mponina any Jerosalema,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 13:2Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
2 Kings 23:20Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
Jeremiah 7:32Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
Ezekiel 6:5Ary ny fatin’ ny zanak’ Isiraely hataoko eo anoloan’ ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
Amos 2:1Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;