Bokin'ny Ohabolana 28:25
Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 28
Cross References
Psalms 84:12Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
Proverbs 11:25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Proverbs 13:10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Proverbs 15:30Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
Proverbs 22:10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
Proverbs 29:25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.