Bokin'ny Salamo 128:2
Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For thou shalt eat the labour of thine hands: happy shalt thou be, and it shall be well with thee.
In Context
1Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.
Read all of Bokin'ny Salamo 128
Cross References
Deuteronomy 28:4Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.
Deuteronomy 28:11Ary hataon’ i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena anao.
Deuteronomy 28:51dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’ osinao, mandra-pandringany anao.
Psalms 1:3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Ecclesiastes 5:18Ary koa, ny olona rehetra izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin’ ny fisasarana, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
Isaiah 3:10Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.