Bokin'ny Salamo 33:21
Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For our heart shall rejoice in him, because we have trusted in his holy name.
In Context
20Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
22Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
Read all of Bokin'ny Salamo 33
Cross References
1 Chronicles 16:10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Psalms 13:5Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
Psalms 30:10Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
Isaiah 25:9Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika.
Luke 1:47Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
Revelation 4:8Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.