Bokin'i Mika 1:13
Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 19:17Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
Joshua 10:3Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
1 Kings 13:33Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
1 Kings 16:31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
2 Kings 16:3fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 18:17Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.