Bokin'ny Nomery 19:13
Izay rehetra mikasika fatin’ olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin’ i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 19
Cross References
Leviticus 5:3na misy mikasika ny fahalotoan’ olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
Leviticus 5:17Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
Leviticus 15:31Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Leviticus 22:3Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
Numbers 8:7Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
Numbers 15:30Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.