The Bible Software
Proverbs · Baiboly Malagasy (1865)

Proverbs 9

1Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;

2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;

3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:

5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.

7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.

11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.

13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

14Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,

15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:

16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:

17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,

18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.

← Proverbs 8Read In The App, Free →Proverbs 10 →

Study Proverbs 9

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

12345678910111213141516171819202122232425262728293031