The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 21

1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

2Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!

3Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. [Sela.]

4Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.

5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.

6Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.

7Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.

8Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

9Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;

10Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.

11Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;

12Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.

13Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.

14Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.

← Bokin'ny Salamo 20Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 22 →

Study Bokin'ny Salamo 21

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150