Bokin'ny Salamo 119:75
Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I know, O LORD, that thy judgments are right, and that thou in faithfulness hast afflicted me.
In Context
74Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
76Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Deuteronomy 32:4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Psalms 25:10Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
Psalms 119:7Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
Psalms 119:128Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
Jeremiah 12:1Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
Hebrews 12:10Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin’ ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.